“Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko aho; eo amin’ny fiangonana no hideràko Anao” Salamo 22:22
1- Fifaninana sary famantarana sy hira faneva
Manentana antsika ry havana handray anjara amin’ny fifaninanana sary famantarana (logo) sy hira fanevan’ny Zarampifaliana. Ny fitsipika mifehy izany fifaninanana izany dia azontsika jerena sy raisina any amin’ny Biraon’ny Zarampifaliana.
Ny rohy misy fitsipika dia ireto avy: Hira faneva: https://bit.ly/33IFYAU , Sary famantarana https://bit.ly/32HVZrA
Ny daty farany handefasana ny sangan’asa dia anio alahady 4 oktobra 2020.
Ho atolotra amin’ny alahadin’ny Zarampifaliana ny vokatr’ireo fifaninanana ireo.
2- Fihaonana isaky ny herinandro
Manatanteraka fihaonana isaky ny herinandro ny Antoko Mpihira Zarampifaliana.
Fandraisam-peo isaky ny mpihira no tanterahina amin’izany.
Ny fihaonana dia isaky ny alahady, amin’ny 9 ora alina, amin’ny zoom
https://zoom.us/j/92027094817
Faly mandray anao izahay ary aza misalasala manatona ireto tompon’andraikitra ireto:
Adiresy Birao: bureauamzp@fjkm-gland.ch, 079 817 30 63
- Ranaivo RAZAKANIRINA
- Iony RABEMANANTSOA
- Clarah ANDRIANJAKA
Ny Antoko Mpihira Zarampifaliana