Rakitra faharoa ho fanohanana ny mpiangona hanatrika ny Fivoriamben’ny Synodamparitany (1 novambra 2020)

Araka ny fanapahan-kevitry ny Mpandray tamin’ny 26 jolay 2020 lasa teo dia hisy ny fanohanana izay ho atolotra ny mpiangona izay hanatrika ny Fivoriam-ben’ny Synodamparitany any Paris amin’ny voalohan’ny volana novambra 2020 ho avy izao.

Entina hanatanterahana izany dia nanapa-kevitra ny Mpihevi-draharaha (Conseil Paroissial) fa hanatanteraka rakitra faharoa manomboka ny alahady 13 septembra 2020 ka hatramin’ny alahady 25 oktobra 2020.

Ny vola azo avy amin’ireo rakitra faharoa ireo dia atambatra ka atolotra ireo olona handeha any Paris. Ny fandaminana moa dia ho atao zara mira ny fitambaran’ny rakitra voaangona.

Entanina noho izany isika rehetra hifanohana mba ahatonga antsika maro hanatrika izany fihaonana izany any Paris.

Ny fandaminana momba ny fihaonana dia ho ampitaina amintsika aoriana ihany. Ny FJKM Ziona Vaovao Paris no handray ny fivoriana amin’ity taona ity.