Mitady mpilatsaka an-tsitrapo – Mpandika teny

Ho an’ny Fiangonana FJKM Gland Fahasoavana,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Mitady mpandika teny milatsaka an-tsitrapo maromaro isika mba handika ny teny gasy ho teny frantsay mandritra ireo fotoam-pivavahana na fankalazana eto anivon’ny fitandremana misy antsika. Azo atao no misafidy ny fotoam-pivavahana na fankalazana tian’ny mpandika teny.

Raha misy amintsika maniry ny hilatsaka an-tsitrapo handika teny dia aza misalasala manoratra any amin’ny Komity Printy sy Serasera any amin’ny com@fjkm-gland.ch ary mariho hoe « Mpandika teny » ery amin’ny antony.

Eto am-panaovana veloma ry havana dia mangataka ny fiangonana hitondra am-bavaka hatrany ny asan’ny Komity Serasera sy Printy. Manao veloma finaritra amin’ny Anaran’I Jesoa Kristy Tompontsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

Amin’ny anaran’ny Komity Serasera sy Printy