Journée aide et action 2020 – 15 Novembre 2020

« Miandradra famonjena ny mino »

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Manasa antsika sahady ry havana hanatrika ny « Journée Aide et Action » izay ho tanterahina ny 15 Novambra 2020 ho avy izao. Ho lazaina amintsika miandàlana eny any ny andinidininy mikasika io fotoana hifanomezantsika io.

Manantena antsika rehetra handray anjara amin’izany hetsika izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

Amin’ny anaran’ny biraompiangonana FJKM Gland Fahasoavana