22.3.2020 – Hafatra ho an’ny Fiangonana FJKM Gland Fahasoavana Suisse! (Selasoa RANDRIAMAHAZAKA, Mpitandrina)

Ho aminareo hatrany ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika!

Mampahery sy mivavaka ho anareo hatrany izahay amin’izao toe-java-misy maneran-tany izao; ary indro mandefa toriteny fohy ho anareo avy amin’ny Soratra Masina:

Isaia 31: 5 « tahaka ny vorona manomba no hiarovan’i Jehovah, Tompon’ny maro an’i Jerosalema; fa sady hiaro no hamonjy Izy, eny sady hiantra no hanafaka » (Isaia 31: 5, perikopa fjkm alahady 22 martsa)

Nitady vonjy amin’ny Egyptiana ny Zanak’Israely eto, ka nila fihavanana tamin’izy ireo. Endriky ny tsy fahatokiana an’Andriamanitra izany ary endriky ny fitokiana amin’ny hery sy fahefana (soavaly sy kalesy mampalaza an’i Egypta). Manome toky sy antoka ny Tompo fa tahaka ny fanomban’ny reniakoho ny zanany ao ambany elany no hanomban’ny Tompo ny olony; ary hitarihany ny olona hitodika Aminy
Toy izany koa isika asain’ny Tompo miantehitra sy miantoraka Aminy ary hatoky tanteraka Azy. Endriky ny fiverenana Aminy izany. Isika koa dia tarihin’ny Tompo tahaka izany ary omena toky fa momba antsika Izy.

Momba antsika ny Tompo ka:
1. Miaro antsika @ loza Izy
Ny Asyriana no fahavalon’ny Israely eto. Maro ny fahavalontsika, mety ho goavana izany, toy ny aretina,…na loza voajanahary. Jereo ny reniakoho; angoniny ao ambany elany ny zanany rehefa misy papango mitady hangalatra azy ireo; rehefa misy fahavalo tamy manatona; rehefa tonga ny hariva ka mangatsiaka ny andro. Ireo zanany dia mahafantatra ny reniny; ary ny reniny koa dia miandry sy mandray an-tanana ireo zanany; ka tsy amelany raha tsy efa ao ambany elany avokoa ireo zanany.
Zanak’Andriamanitra isika, koa aza matahotra fa miaro antsika Izy

2. Miantra antsika Izy
Mpivadibadika anie ny Zanak’Israely e; indraindray mihodina ka manompo andriamanitra hafa. Izany no endriky ny fahotana, manalavitra an’Andriamanitra.
Ny hoe miantra dia midika hoe: famindram-po; izany hoe soloin’ny Tompo ny fontsika, ny fontsika ratsy na fo vato ka manjary manota dia soloiny fo nofo ka tonga mitempo fitiavana Azy. Tonga lavitra ny ota isika; ka mandray ny famelan-keloka avy Aminy. Manana fo antra ny Tompo, tsy mitahiry fahatezerana Izy akory.Manafaka @ fahotana Izy; ka voavela heloka isika. Manafaka @ geja samihafa Izy ka olona afaka isika.
« Ny famindram-pon’i Jehovah no tsy mahalany ritra antsika; ary tsy mitsahatra ny fiantrany » (Fitomaniana 3: 22)

Selasoa RANDRIAMAHAZAKA, Mpitandrina