FJKM – Ireo daty manokana mandritra ny volana Oktobra 2021

10 oktobra 2021: Alahadin’ny Radio Protestanta FFPM

17 oktobra 2021: Alahadin’ny MAMRE FJKM

Inona moa no atao hoe MAMRE na Masera FJKM?

NY FIANDOHANY :

Ny taona 1988 no nandraisan’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM, ny fiaraha-miaina amim-bavaka MAMRE, ho endrika anehoan’ny Fiangonana ny fanompoan’ny Vehivavy manokan-tena ho an’ny Tompo. Ilay fitiavana feno tao amin’i Jesoa Kristy amin’ny fanoloran-tena feno sy tanteraka hatramin’ny farany, amin’ny alalan’ny tsy fanambadiana sy ny fiaraha-miaina no zava-kendrena sy iainan’ireo Masera FJKM ao amin’ny MAMRE. Feno 26 taona izao ny MAMRE. Talohan’izany dia efa nisy ny atao hoe FAZA, FAnolokoloana ny Antso ho an’ny ZAzavavy, niaraka tamin-dRtoa Marie Homburger, Misionera naharitra ela teto amintsika, izay nahita tamin’ny fitsidiham-paritany sy fanofanana nataony fa maro ireo zazavavy voantson’ny Tompo ka maniry hanolo-tena ho Azy. Nojeren’ny FJKM manokana izany ka niara-niasa tamin-dRtoa Marie Homburger, nandinika ny amin’izay hanolokoloana ny antso ho an’ny Zazavavy izany ny Mpitandrina : Atoa ZAKARIASY Albert sy Atoa RAKOTOSAONA tamin’ny fotoanandro. Nanomboka ny fiaraha-miaina tao Imarivolanitra Rtoa Marie sy ireo zazavavy vitsivitsy. Efa nifandray tamin’ny Masera Protestanta tany Grandchamp (Suisse) ny FAZA hatramin’ny voalohany. Nifindra tao Ambavahadimitafo ny FAZA tamin’ny taona 1979. Avy tamin’ny FAZA no nipoiran’ny MAMRE.

NAHOANA NO MAMRE NO ANARAN’IZY IREO?

Tsy fanafohezan-teny akory ny hoe MAMRE fa ilay toerana nisehoan’Andriamanitra tamin’i Abrahama tamin’ny endriky ny anjely, araka izay voalazan’ny Genesisy toko faha-18. Misy dingam-piainana tsy maintsy lalovana raha te-hiditra ho mpiara-miaina ao amin’ny MAMRE FJKM vao tonga amin’ny fanokanana ho Masera.

24 oktobra 2021: Alahadin’ny Sampana Fifohazana FJKM

31 oktobra 2021: Alahadin’ny Reformasiona

Ny Alahady farany amin’ny volana oktobra no atokan’ny FJKM hatrany isan-taona ahatsiarovana fa fiangonana avy amin’ny Reformasiona ny FJKM.