Fivoriamben’ny Synodamparitany, Parisy, 09 sy 10 Janoary 2021

Ho an’ny mpiangona ao amin’ny FJKM Gland Fahasoavana

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Ry havana, noho ny fahamehana ara-pahasalamana dia nahemotra ny Fivoariambe Synodamparitany izay nokasaina hotanterahina ny 31 Oktobra sy ny 01 Novambra 2020 lasa teo. Koa manasa antsika mpiangona rehetra eto amin’ny Fiangonana FJKM Gland Fahasoavana amin’ny Fivoriamben’ny Synodamparitany izay hotanterahina amin’ny 09 sy 10 Janoary 2021 ho avy izao.

Manantena ny fahatongavantsika maro amin’izany fotoana izany.

Amin’ny anaran’ny Birao SP37