Fintina sy fantina momba ny Synoda Lehibe FJKM

Araka ny efa fantantsika dia ho tanterahina amin’ity taona 2021 ity ny fivorian’ny SYNODA LEHIBE XIX eto anivon’ny Fiangonantsika. Ny daty hanatanterahana izany dia ny 11-18 Aogositra 2021. Ny toerana kosa dia any Sambava, Synodam-paritany Kristy Fihavanantsika Avaratra Atsinanana ( SP KRIFAA 16).

Ireto ary misy ankapobem-pahalalana tokony ho fantatry ny Kristiana FJKM momba izany Synoda Lehibe izany.

  • Ny fivorian’ny Synoda Lehibe no ambaratongam-pahefana sy ambaratongam-pitondrana faratampony (ambony indrindra) ao anatin’ny ambaratongan-drafitry ny fiangonana FJKM, izay miaraka amin’ny rafitry ny Mpiandraikitra Foibe sy ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM ( Fitsipika sy foto-dalan’ny FJKM, and 21 ) .
  • Isaky ny efatra taona no tanterahina ny fivorian’ny Synoda Lehibe FJKM.
  • Marihina fa tsy maintsy ahitana ny solontenan’ny Synodamparitany rehetra (38) ato amin’ny sahan’ny FJKM ny fivorian’ny Synoda Lehibe, miaraka amin’izany ihany koa ny Sampana sy ny Sampanasa ary ny Asa eo anivon’ny Foibe FJKM ( Araka ny voalazan’ny Fitsipika sy foto-dalan’ny FJKM, and 231)

Ireto kosa izay heverina ho andraikitra tena lehibe miandry ny Synoda Lehibe FJKM.

  • Voalohany indrindra amin’izany ny fitondrana am-bavaka ny fiainan’ny fiangonantsika FJKM.
  • Mandritra ny fivorian’ny Synoda Lehibe no hanatanterahana ny fanavaozana ireo olom-boafidy hitantana ny FJKM indray mandritra ny efatra taona hoavy ( araka ny voalaza ao amin’ny Fitsipika sy Foto-dalana FJKM, and. 22) ka ireto avy izany :
    • Mifidy ny Mpiandraikitra Foibe FJKM
    • Mifidy izay ho Filohan’ny FJKM
    • Mankatò ireo Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM.
  • Manapaka sy mitondra fanovana momba ny fitsipika sy foto-dalan’ny FJKM raha misy izany.

Marihina fa io fivorian’ny Synoda Lehibe io no mametraka ny asa tokony ho tanterahin’ny FJKM indray mandritra ny efatra taona hoavy, ary miaraka amin’izany koa no itondrany ny sori-dalana ankapobeny hanatanterahina izany.

Andeha ary isika samy hitondra am-bavaka izany Synoda Lehibe izany amin’ity volana Aogositra ity.

RAKOTOMANANA Herintsoa Tahiry Mpitandrina
Solon-tenan’ny SP 37_ Synoda Lehibe FJKM Aogositra 2021
Sambava- Madagasikara.