Fanohanana ny dia mankany Nantes

Mitohy hatrany ry havana ny fanentanana momba ny dia mankany Nantes amin’ny 30-31 oktobra 2021 ho avy izao.

Entina hanohanana ireo mpiangona hankany Nantes dia nanomboka nanatanteraka rakitra faharoa isika tamin’ny alahady 26 septambra 2021 lasa teo ary tohizana izany hatramin’ny alahady 24 oktobra 2021 ho avy izao.

Ny rakitra voaangona dia atolotra ireo mpizaika ary atao zara-mira mba ahafahana manohana azy ireo amin’ireo fandaniana rehetra.

Fanampin’izany dia mangataka antsika hatrany hitondra am-bavaka ny fanomanana rehetra.