Fampandrenesana fohy

Ho an’ny Fiangonana FJKM-Gland Fahasoavana,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Ny Komity Serasera sy Printy dia mampahafantatra antsika fiangonana fa azo atao ny mandefa “petites annonces” ho an’ny mpiangona. Izany dia ho ampitaina amin’ny mpiangona amin’ny alalan’ny Vaovao isan-karazany na Newsletter alefa email isaky ny zoma voalohan’ny volana.

Azo sokajiana ho “petites annonces” ireo zavatra tadiavintsika, omentsika fotsiny, amidintsika, na ny asa mandalo na maharitra tiana ho atolotra.

Raha misy amintsika maniry ny handefa izany “petites annonces” izany dia aza misalasala mameno ny rohy : https://www.fjkm-gland.ch/petites-annonces-fampandrenesana-fohy/.

Ny daty farany handefasana ny “petites annonces” dia isaky ny alahady faharoan’ny volana.

Eto am-panaovana veloma ry havana dia mangataka ny fiangonana amin’ny fitondrana am-bavaka hatrany ny asan’ny Komity Serasera sy Printy. Manao veloma finaritra amin’ny Anaran’I Jesoa Kristy Tompontsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

Amin’ny anaran’ny Komity Serasera sy Printy