Fametrahana ny Mpitandrina ny 24 janoary 2021

Ny solontenan’ny Synodamparitany sy ny Biraompiangonana nametraka ny Mpitandrina. Sary: Dimy Andriamasinoro

Indro ampitaina amintsika ny taratasy fametrahana ny Mpitandrina avy amin’ny Synodamparitany.


Ho an’ny Biraon’ny Fiangonana sy ny Kristiana eto amin’ny FJKM Gland Fahasoavana – Suisse

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo

Ry havana,

Noho ny Fitahian’Andriamanitra dia vita soamantsara teo anivon’ny Fivorian’ny Mpihevidraharaha sy ny Komity Lehiben’ny SP VFA 37 tamin’ny Asabotsy 09 Janoary 2021 lasa teo ny fandraisana ny Mpitandrina RAKOTOMANANA Tahiry, izay natolotry ny Foibe FJKM taty amin’ny SP37 hitandrina any aminareo mandritry ny fotoana andrantovany fianarana any Suisse.

Noho izany dia manolotra azy aminareo izahay, ary ny Filoha Mpanampy tsy Mpitandrina an’ny Biraon’ny SP37 no hametraka azy araka ny fomban’ny Fiangonana rahampitso Alahady 24 Janoary 2021.

Koa maniry izahay ny mba handefasanareo ny tatitry ny fifampitondrànareo Fiangonana amin’io Mpitandrina io, araka izay efa nifanarahanareo sy mbola hifandaminanareo roa tonta.

Mirary fahombiazana ho anareo amin’ny fiaraha-miasa sy ny fitoriana ny Filazantsara.

« Maneke ny mpitondra anareo, ka manoava azy ; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana, fa tsy amin’ny fisentoana ; fa tsy hahasoa anareo izany. » Heb.13 :17

Manao veloma anareo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo.

Ny biraon’ny SP VFA 37
Ny Mpitantsoratra


Ny Mpitandrina sy ny solontenan’ny Synodamparitany. Sary: Ravaka ANDRIAMIHAJA