Faha 12 taonan’ny SPVFA 37

Isaorantsika Andriamanitra fa vita soa aman-tsara tao amin’ny FJKM Ziona Vaovao Paris ny fanatanterahana ny fanompoam-pivavahana fankalazana sy fisaorana an’Andriamanitra noho ny faha 12 taona niorenan’ny Synodam-paritany Vatofehizoro Ampitan-dranomasina. Izany dia notanterahina tamin’ny 25 Septambra 2021.

Anisan’ny vaovao nampitaina tao anatin’izany ihany koa ny hisian’ny fampianarana izay hotanterahina any amin’ny fihaonam-ben’ny Synodam-paritany hatao any Nantes ny 30 – 31 Oktobra 2021 ho avy izao mandritra ny fotoana hivorian’ny Mpihevi-draharahan’ny sy ny Komity Lehiben’ny Synodam-paritany.

Zavatra vaovao ihany izany saingy hatombontsika Synodam-paritany amin’ity fihaonam-be ity, ka hotohizana hatrany ho zary lasa fiainan’ny Synodam-paritany.

Samia mahery eo ambany Tanam-pahasoavan’ny Tompo.