Alahadin’ny sampana Dorkasy

Tamin’ny alahady 27 septambra 2020 teo no alahadin’ny sampana Dorkasy. I Njaka GONGUET no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Anna RAZAKANIRINA no nitondra ny hafatra.

Ny Lohahevitra nobanjinina tamin’io fotoana io dia « ny vehivavy mahafatra-po » araka ny tenin’Andriamanitra hita ao amin’ny bokin’ny Ohabolana 31:10 « Iza no mahita vehivavy tsara ? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy. ».

Nahafinaritra tokoa ny fotoana izay nofaranana tamin’ny fivarotana « paniers garnis » nomanin’ny mpikambana ao amin’ny Dorkasy.

Vokatra frantsay, soisa sy malagasy no nameno ny « paniers garnis » ohatra amin’izany ny saucissons sy ny Tee-shirts. Vetivety dia lafo avokoa ny zavatra rehetra.