(Filazàna manjo) RAHARISOA

Filazàna

06.06.2010 08:11

Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no hilazana amintsika fa nody mandry tamin'ny alarobia 2 jona lasa teo Ramatoa RAHARISOA, renin'Atoa RAKOTONIRINA Elie (mpiara-mivavaka amintsika eto amin'ny FJKM-Gland).

Ny nofony dia ho entina ao amin'ny FJKM-Ankadifotsy anio 6 jona 2010 amin'ny 3 ora hariva.

"Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray." Jaona 14:12

Ny fotoana famangiantsika eto amin'ny FJKM-Gland dia ampitaina ao aoriana.