Sekoly Alahady
Ny fanadinan'ny Sampana Sekoly Alahady dia hotanterahina ny alahady 14 febroary 2010 ho avy izao ao amin'ny Temple d'Ouchy, Lausanne, manomboka amin'ny 3 ora ka hatramin'ny 4 ora.
Ny Sampana Sekoly Alahady dia Sampana ao amin'ny Fitandremana FJKM-Gland. Ny tanjony dia ny hampianatra ny Tenin'Andriamanitra. Mifandray tanteraka amin'ny tanjona fototry ny fitandremana izany. Izany tanjona fototra izany dia ny fanentanana ny olona amin'ny fahalalàna ny Tenin'Andriamanitra sy ny finoana an'I Jesoa Kristy
Nitsangana tamin'ny 20 janoary 2008 lasa teo ny Sekoly Alahady eto amin'ny FJKM-Gland. Misy ankizy valo (8) mizara ho sokajy roa ao anatiny:
Sokajy 1: Sokajy misy ny zaza (3 ka hatramin'ny 5 taona)
Sokajy 2: Sokajy misy ireo ankizy (5 ka hatramin'ny 7 taona)
Ny votoatin'ny fampianarana dia mitovy amin'ny votoatin'ny fampianarana atolotry ny departemanta Sekoly Alahadin'ny Foibe FJKM. Amin'ny teny Malagasy sy ampahany amin'ny teny Frantsay no hanatanterahina ny fampianarana.

- Ireo mpianatra Sekoly Alahady miaraka amin'ny tompon'andraikitry ny Sampana nandritra ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana tamin'ny Krismasy 2008
Ny Sampana Sekoly Alahady eto amin'ny Fitandremana Gland
dia manentana ireo ankizy rehetra hanatrika ny fampianarana ny Tenin'Andriamanitra.
Tompon'andraikitry ny Sampana: Tantely Razafimanantsoa (poussyrft@yahoo.fr)
Ny fampianarana dia tanterahina isaky ny Alahady fahatelon'ny volana manomboka amin'ny 2 ora latsaka fahefany tolakandro ka hatramin'ny 3 ora latsaka fahefany tolakandro ao amin'ny Temple de Gland (Grand Rue 36, 1196 Gland).