Ny FJKM-Gland
Ny FJKM-Gland, alavaina hoe Fiangonan'I Jesoa Kristy eto Madagasikara - Fitandremana Gland, dia fitandremana ao amin'ny Synodam-paritany faha-37 (1)-n'ny FJKM (2). Niorina tamin'ny 01 desambra 2007 tao Genève ny fitandremana.
Amin'ny maha-fitandremana ao amin'ny FJKM azy dia miorina amin'ny fotom-pinoana protestanta araka ny reformasiona ny FJKM-Gland.
Misy mpiara-mivavaka miisa 40 sy mpandray ny fanasan'ny Tompo miisa 20 eo ho eo (isa azo tamin'ny voalohan'ny taona 2009) eto amin'ny fitandremana.
Indray mandeha isam-bolana ary isaky ny alahady fahatelo(3) ny fotoana fiaraha-mivavaka ary amin'ny teny malagasy sy manaraka ny litorjian'ny FJKM.
Ahitana sampana iray ao aminy dia ny sampana Sekoly Alahady izay mitaiza ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora amin'ny finoana kristiana. Manana antoko mpihira miara-miasa aminy koa izy izay manetsiketsika ireo tanora dia ny antoko Mpihira Zaram-pifaliana.
(1) Ny Synodam-paritany faha-37-n'ny FJKM izay misy Synodam-paritany mampivondrona ireo fitandremana FJKM aty am-pitandranomasina dia natsangana nandritra ny Synoda Lehibe tany Mahajanga tamin'ny volana aogositra 2008.
(2) Ny FJKM na Fiangonan'I Jesoa Kristy eto Madagasikara no fiangonana protestanta lehibe indrindra ao Madagasikara. Fiangonana reforme calvinista ny FJKM ary mampivondrona mpiara-mivavaka mahatratra 4 000 000 manerana an'i Madagasikara.
(3) Manomboka ny volana septambra 2009 dia isaky ny alahady fahaefatra ny fanompoam-pivavahana isam-bolana.