Manam-pahefàna hampandroso amin’ny finoana Andriamanitra

Homba anao sy ny ankohonanao mandrakariva anie ny Fahasoavan’i Jesoa Tompo.

Mampiray ny mino ao amin’ny Tompo ny fanoloran-tena, fa amin’zany fampiraisana izany tokoa manko no anehoan’Andriamanitra ny Fahefany hampandroso ny olona amin’ny Finoana.

Hitantsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20.32-38 izany. Ho fintintsika amin’ny fehezan-teny vitsivitsy ity Asan’ny Apostoly 20.32- 38 ity.

Sady hafatra fanaom-beloma ireo mpitondra fiangonana sy loholona Efesiana no ambaran’i Paoly eto. Hafatra hampaherezana azy ireo hanana fanoloran-tena sy hahay hitazona ny finoana ary hitandrina ny Fiangonana araka izay efa niantsoan’Andriamanitra azy ireo. Tsy ho azy ireo ihany anefa ny hafatra fa ho an’ny mino rehetra ka anehoana fa manam-pahefana hampandroso ny finoana Andriamanitra.

Fitsidihana voaomana tsara no notanterahin’ny Apostoly tany Troasy sy Mileto. Ny fandalovana tao amin’ireto Tanàna ireto indrindra tao Mileto no nanafatrafaran’ny Apostoly sy toy ny fara-veloma fa tsy hahita azy intsony ny olona, fa atomotra ny fotoana, ary ho avy ny hamatorana azy any Roma sy ny hahafaty maritiora azy.

Hafatra ho an’ny fiangonana tany Efesosy izay naoriny mba hitoetra amin’ny finoana sy haharitra amin’izany.

Fantatry ny Apostoly fa nandroso ny fiangonana ary nazoto nitana ny finoana sy ny fiombonana ny mino ary noporofoina tamin’ny fisian’ireo mpitarika (loholona) tany izany.

Niharihary ny Asan’ny Fanahy Masina sy ny Fahefan’Andriamanitra ka nampandroso ny Fiangonana tamin’ny finoana sy ny fanolorantena ho an’ny Tompo.

Hafatra ampitain’ny Apostoly eto ny fandraisana andraikitra eo amin’ny mpitarika ny fiangonana sy ny vahoakan’Andriamanitra. Ireo mpitarika hiandraikitra ny fiarovana ny vahoakan’Andriamanitra mba hahatana ny finoana sy tsy ho voasariky ny fampianaran-diso ka hamadika ny finoana ho any amin’ny tsy izy.

Aseho eto fa ny ho avin’ny fiangonana sy mino dia apetraka eo ambany fahatokiana an’Andriamanitra ary izany anefa dia iainana ny finoana sy ny fankatoavana ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny hafatry ny Filazantsara. Ampiharina eo amin’ny fiainana iray manontolo izany fampianarana izany izay miorina indrindra amin’ny Finoana sy ny Fitiavana. Nampihetsi-po ity fanaovam-beloma nataon’i Paoly ity, nefa koa nampiorina ny finoana sy nampahery ny fiangonana ny hafatra nentiny. Nampahery ny fiangonana ny Apostoly haharitra na dia ny fakam-panahy sy ny fahoriana ary ny fanenjehana aza, fa izay mino an’i Jesoa Kristy tokoa dia tsy hisy haharombaka azy eo an-tanàn’Izy Tompo. Ity no hafatra mamarana ny fitsidihana telo nataon’ny Apostoly tamin’ireo fiangonana tany Asia Minora izay naharitra 12 taona. Mifototra indrindra amin’ny fanoloran-tena sy ny finoana ny famonjena vitan’i Jesoa Kristy sy ny haharetana amin’izany no hafatra eto mba hampiray ny mino rehetra amin’ny fitiavana.

Tahaka izany koa isika ankehitriny, mety hisy ny zava-manahirana, ny fizahan-toetra, ny fanenjehana eny ny fifankahalàna aza, kanefa ny fihazonana sy ny fiorenana mafy amin’ny finoana no manavao hatrany ny fanoloran-tenan’ny mino mba hanana ny fahasahiana hijoro ho vavolombelona. Apetraho amin’Izy Andriamanitra Avo Indrindra àry ny momba antsika, ary angataho ny Fanahy Masina hiasa mba hampiorina ny finoana sy ahazoantsika manavao izany fanoloran-tenatsika izany isan’andro izay mampiray ny mino rehetra. Fa manam-pahefana hampandroso amin’ny Finoana tokoa Andriamanitra.

JEAN D’ELINIVO Emmanuel, Mpitandrina
Mpitan-tsoratry ny Synodamparitany
Vato Fehizoro Ampitandranomasina (SP37)

Akon’i Gland No3

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

*