Ny fidiran’ny Reformasiona tany Madagasikara

Raha hiteny momba ny fidiran’ny Reformasiona tany Madagasikara dia tsy maintsy mijery indraimitopy maso ny fidiran’ny Fivavahana kristiana tany koa. Tamin’ny taona 1643 dia efa nisy Pretra anankiroa nirahin’ny Fiangonana Katolika frantsay tonga tany Fort-Dauphin, dia i Père Charles Nacquart sy Père Nicolas Gondrée. Afaka enimbolana monja dia nodimandry i Père Nicolas Gondrée. Niasa sy nitaona ny olona ho kristiana ary nampianatra azy ireny katesizy i Père Charles Nacquart, ary nodimandry koa tamin’ny 29 Mai 1650. Nisy ihany ireo Pretra hafa nalefan’ny Fiangonana Katolika frantsay handimby azy ireo, fa noho ny tsy filaminana teo amin’ireo vahiny sy tompontany (Antanosy), dia voatery niverina nody izy ireo. Tsy nisy tohiny ny raharaha ary foana koa ny fisian’ny Fiangonana katolika tany amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny.

Ny 18 Aogositra 1818 no nigadona voalohany tao Toamasina ireo Misionera Protestanta mirahalahy: David Jones sy Thomas Bevan niaraka tamin’ireo vadiny avy sy zanany iray avy koa. Nalefan’ny Fikambanana Mpaniraka Misionera antsoina hoe “London Missionary Society” (LMS), izy ireo. Avy any Ecosse (Grande Bretagne) no fihavian’izy ireo ary avy niofana tao amin’ny Kolejy fanomanana Misionera tany an-toerana. Nanana ny akony tany Ecosse ny fampianaran ‘i Calvin, ka nahafahan’ny olona Mpitoriteny malaza toa an’i John Knox, nampianatra sy nanorina ny Fiangonana Presbyteriana tany, izay nandray sy nampihatra ny Fampianarana (teolojian’i Calvin). Araka izany dia ny fanitsiampivavahana nataon’i Calvin no nanan-kery sy niparitaka nentin’ireo iraka na Misionera nalefan’ny LMS.

Koa tsy nahagaga ny nahavitan’ny Baiboly malagasy avy hatrany ho amin’ny teny malagasy, nataon’ireo Misionera, raha vao teo amin’ny Fito ambinifolo (17) taona teo fotsiny no nahatongavan’izy ireo. Ny Soratra Masina no zava-dehibe voalohany indrindra amin’ny zanaky ny Reformasiona.

Fa tamin’ny taona 1867 dia naniraka Misionera tany Madagasikara koa ny Foreign Friends Mission Association, izay nantsoina koa hoe Quakers, izay Fikambanana notarihin’i Georges Fox. Nanana ny akony tao amin’izy ireo ny Teolojian’i Calvin, ka nahatonga azy hanao ho zava-dehibe ny fihainoana ny Fanahy Masina sy fankatoavana ny fitarihany. Ny Fanahy Masina miasa ao amin’ny olona mandray ny Tenin’Andriamanitra araka ny Soratra Masina, no afaka miasa sy manasoa ny hafa. Andriamanitra dia manao ho zava-dehibe ny asantsika. Avy amin’izany no nipoiran’ny fiaraha-manompo (sacerdoce universel).

Fa ny taona 1897 no nidiran’ny Misionera frantsay zanaky ny Société des Missions Evangéliques de Paris (SMEP) na nantsoina koa hoe Mission Protestante Française (MPF). Ireo Iraky ny Fiakambanana Misionera avy aty Frantsa ireo dia nanaraka sy nirona kokoa tamin’ny Foto-pampianaran’i Calvin, na dia nisy ampahany vitsivitsy tao anatin’ny Fikambanana aza ny nanaraka ny Foto-pampianaran’i Zwingli. Ny Fiangonana naorin’ireto avy amin’ny MPF ireto no tena nampihatra ny rafitra sy fampianaran’i Calvin amin’ny fiasian’ny Loholona sy ny Diakona, ary ireo Ambaratonga teo amin’ny fitondrana.

Tsy azontsika hodian-tsy hita eto, ny fidiran’ireo Misiona Loterana avy any Norvège, izay tena mpanaraka feno ny fampianarana na Teolojian’i Lotera, ka niasa tamin’iny faritra Antsirabe sy ny tapany Atsimo amin’ny Nosy iny (Norvegian Missionary Society na NMS izay tonga tamin’ny taona 1866, sy ireo Loterana roa tonta (ELC tamin’ny 1888 sy LBM tamin’ny 1890) avy any Amerika Avaratra. Nanana ny akony lehibe sy ny anjara toerany teo amin’ny fidiran’ny Fanitsiampivavahana na ny Reformasiona ny fahatongavan’ireo Misionera ireo.

Ny Reformasiona dia fanohizana ireo Fampianarana notarihin’ireo Rain’ny Fanitsiana (Lotera, Zwingli ary Calvin). Nirona sy niorina tamin’i Calvin ny FJKM satria izay no lalana sy fomba narahiny hatrany ambolohany niaraka tamin’ireo Misionera nitondra ny Filazantsara. Tsy nifanalavitra mihitsy ny Fampianaran’i Calvin sy Lotera, ary ny tena izy aza dia nanohy ny nataon’i Lotera sy nanamafy izany tamin’ny fomba hentitra nefa nivelatra kokoa i Calvin. Niombonan’izy mirahalahy ireo ny
a) fanoherana an’i Roma,
b) ny Famonjena amin’ny alalan’ny finoana,
d) ny Soratra Masina (Baiboly).

Ny an’i Calvin dia mbola nosoritany na nasongadiny mazava tsara ny Fanahy Masina sy ny Asany ao amin’ny olombelona.

Raha fehezina amin’ny teny vitsivitsy ny vetin-kevitra lehibe dia voafintina toy izao hoe ny Fototry ny fampianaran’i Calvin dia:
1. Ny momba an’Andriamanitra Mpahary, araka izay ambaran’ny Soratra Masina.
2. Ny maha-mpanota ny olombelona sy ny fanavotana nataon’i Jesoa Kristy.
3. Ny Fanahy Masina sy ny Asany.
4. Ny Fiangonana, izay fiombonan’ny mino. Ny FJKM dia nanaraka sy nitazona ny fampianaran’i Calvin, ary nampihatra izany eo amin’ny rafitra arahiny dia ny Rafitra Presbyteriana-Synodaly. Ny teolojian’i Calvin no nanorenany ny Foto-pinoany sy ny fampianarany ary ny Rafitra arahiny.

Ho an’Andriamanitra tokana irery ihany anie ny Voninahitra ary ho amintsika kosa ny Fahasoavana avy amin’I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

RAKOTONIRINA, Mpitandrina
Filohan’ny Synodamparitany FJKM
Vato Fehizoro Ampitandranomasina (SP37)

Akon’i Gland No3

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

*